<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L. Bourgeous</author>
<title>Ry Zanahary Tomponay FFPM411</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Zanahary Tomponay,
 Mpanao izao rehetra izao !
 Tsinjovy re ny olonao,
 Ka miantrà ny lovanao.

[V2]
 Ry Tokinay sy Tanjakay !
 Mba mitalaho izahay ;
 Tsarovy re ny zanakao,
 Ka mamelà ny helokay.

[V3]
 Ry Tomponay, Mpamonjy
 soa !
 Tariho izahay izao
 Hanompo sy hanoa Anao,
 Ho voninahitrao tokoa.

[V4]
 Rehefa hody izahay,
 Mba raiso ny fanahinay
 Handray ny hasambarana
 Atolotrao, Mpanavotray.</lyrics>
<hymn_number>411</hymn_number>
</song>